Ary izao no zanakalahin’ i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’ i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra;
Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina.
Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’ i Batsoa, zanakavavin’ i Amiela)
sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
sy Noga sy Nafega sy Jafia
sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ ireo.
Ary ny zanakalahin’ i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’ i Abia, Josafata no zanakalahin’ i Asa,
Jehorama no zanakalahin’ i Josafata, Ahazia no zanakalahin’ i Jehorama. Joasy no zanakalahin’ i Ahazia,
Amazia no zanakalahin’ i Joasy, Azaria no zanakalahin’ Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
Ahaza no zanakalahin’ i Jotama Hezekia no zanakalahin’ i Ahaza, Manase no zanakalahin’ i Hezetia,
Amona no zanakalahin’ i Manase, Josia no zanakalahin’ i Amona.
Ary izao no zanakalahin’ i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira,
ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
Ary ny zanakalahin’ i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’ i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
Ary ny zanakalahin’ i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’ i Rafaia sy ny zanakalahin’ i Arnana sy ny zanakalahin’ i Obadia ary ny zanakalahin’ i Sekania.
Ary ny zanakalahin’ i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’ i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
Ary ny zanakalahin’ i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
Ary ny zanakalahin’ i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.